Pejy Mifandray

Tantaran'ny Mpanjaka Ahaba

Iza moa i Ahaba mpanjaka?

I Ahaba no mpanjaka fahafito tamin'ny Isiraely nanomboka tamin'i Jeroboama, ary izy no nanjaka nanomboka tamin’ny taona 871 ka hatramin’ny taona 852 talohan’i Kristy. Zanaky ny mpanjaka Omri izy ary vadin'i Jezebela avy any Sidona. Voalaza ho mpanjaka ratsy fanahy izy noho ny fanarahany ny tenin’i Jezebela vadiny, izay mpanompo sampy lehibe, nampamono an’i Nabota mba hangalany ny sahany ho an’ny mpanjaka.
Mpanjaka Ahaba
Ny mpanjaka Ahaba dia nanao izay ratsy teo imason’I Jehovah mihoatra noho ireo mpanjaka rehetra teo alohany. Nanenjika ny mpaminany Elia izy. Rehefa nifanandrina tamin’i Elia mpaminany izy, dia nanao sorona tao amin'ny tendrombohitra Karmela. Nandritra izany no nanoheran'i Elia ny mpaminanin'i Bala sy nandripahany mpaminany Bala 450 tao anatin’ny indray andro. Rehefa nitsiriritra ny tanim-boalobok'i Nabota i Ahaba, dia nanao tetika hamonoana an’I Nabota I Jezebela vadiny mba hahazoany mora foana ilay tany ho an’ny mpanjaka.
Nikambana tamin’i Josafata, mpanjakan’i Joda i Ahaba, mba hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan’ny Syria, tao Ramota-gileada. Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba. Naka hevitra tamin'ny mpaminany maro i Ahaba mpanjaka raha tokony handeha hanafika ny Syriana na tsia. Ny mpaminany 400 nanontaniany dia samy naminany fandresena ho azy avokoa. Nefa i Josafata dia nilaza taminy mba hanontany an’i Mikaia (zanak’i Jimla) izay mpaminanin’i Jehovah. Naminany faharesena ho azy ilay mpaminany, nefa tsy nino ny filazany i Ahaba. Ka nasainy nosamborina ilay mpaminany ary nataony an-trano maizina ary nasainy nofahanana mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana, ary nandeha niady ihany ny mpanjaka. Nanao izay tsy nahafantarana azy ny mpanjaka Ahaba nandritry ny ady, ka nanao ankanjon’olon-kafa. Nefa ny zana-tsipika kitoatoa nalefan’ny lehilahy iray no nahavoa azy teo amin’ny tratrany ka nahafaty azy.
Ny tantaran’i Ahaba mpanjaka dia azonao vakiana manontolo ao amin’ny 1 Mpanjaka 16 – 22 sy ny bokin’ny Tantara.