Ny fanalahidy voalohany dia ny fihetsika. Voalazan’Isaia 66 :2 (sy Isaia 57 :15) :« Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko. » Tokony ho olona azo hampianarina isika izany, matahotra an’Andriamanitra, manaiky ny hotefeny. Hoy ny Ohabolana 9:10 « Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina ». Ny fahatahorana an’i Jehovah dia midika ho fanajana Azy tanteraka, ny fiankohofana aminy.
Ny fanalahidy faharoa dia ny fanekena an’Andriamanitra. Hoy ny Salamo 111:10: « Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.» Ireo izay mitandrina ny Didy Folo no afaka mahafantatra tsara izay tian’ny Baiboly ho lazaina. Hitombo ara-panahy isika raha mikaroka ny fampiaharana ny fitsipik’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika an-davan’andro, na amin’ny hevitra ho tapahina izany na amin’ny safidintsika.
Hebreo 5:12-14 : « Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina. « Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. »
Ny fanalahidy fahatelo dia ny fahazoana ny hevitry ny andininy iray izay dininihina ao anatin’ny soratra manodidina azy (contexte) ao amin’ny Baiboly. Hoy 2 Petera 1:20-21« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. »
- Tsy avy amin’ny sain’olombelona izany no ahitana ny dikan’ny soratra masina, satria ny sain’Andriamanitra no nampanoratra ny Boky.
- Ny Soratra Masina ihany no tokony hanazava ny Soratra Masina. Toy ny amin’ny taranja hafa koa, ny fahaizana ny Baiboly dia manana vokany mifanampy.
- Araky ny Isaia 28:10 « Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely ety, ary kely ery; »
Ny fanalahidy fahadimy dia atomboka hianarana aloha ireo andinin-teny izay manazava ny taranja ianarana. Ho an’ireo andalan-teny sarotra fantarina ny heviny, dia mety ho hita ny fanampiana ilaina avy amin’ireo andininy mazava be.
Ohatra, 2 Petera 3:15-16 « Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. »
Raha misy ahiahinao, mijere Baiboly hafa, ampiasao ny diksionera mba handinihana ny teny, mba hahazoanao ny dikany sy ny fampiasàna ny teny.
Arahabaina ianao fa handeha hanao fitsangatsanganana mahafinaritra sy mahasoa ary mampitsiriritra. Io dianao io dia hitondra anao hahafantatra marina ny zavatra ambaran’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, ary hahafantatra bebe kokoa ny planina lehibe nataon’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao, ary ianao koa anisan’izany.