SEKOLY SABATA
14/12/2019
MANAN-KERY VE NY TESTAMENTA TALOHA?
SA VE NY TESTAMENTA VAOVAO IHANY NO NATAO HO AMIN'IZAO VANIM-POTOANA IZAO?
Ny Testamenta Taloha (T.T.) sy ny Testamenta Vaovao (T.V.)
- Ny Soratra Masina tamin’ny andron'i Jesosy sy ny Apostoly ny T.T. ary nentiny nitory ny Filazantsara sy nampianatra ny olona tamin'izany vanim-potoana izany ireny.
- Natao hilazana an'i Jesosy ny T.T.
- Fananarana momba an'Andriamanitra ny T.T. ary mampahery ny olona koa:
2 Timoty 3:14-17: Soratra Masina = Mampahery ho amin'ny fahendrena amin'ny finoana an'i Jesosy, ho fampianarana, fandresen-dahatra, fanitsiana izay diso, ary fitaizana amin'ny fahamarinana.
1. Salamo 119:172: Hihira ny teninao ny lelako, fa marina ny didinao rehetra.
Masina = voatokana; fanamasinana = fanokanana
Ny Fahamarinana dia midika fa misy lalàna mipetraka manamarina azy.
Manao ny marina = manaja ny didy sy ny lalàna ary fitsipika rehetra
2. Salamo 119:160:
Tenin'Andriamanitra no Fahamarinana
"Mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra," izany hoe tsy miova ireny fa marina mandrakizay.
3. Jaona 17:17
Manamasina ny olona ny Tenin'Andriamanitra ary ny Teny dia fahamarinana.
Ny nitondra ny fampianarana dia ny Loholona ao amin'ny Fiangonan’ Andriamanitra Miray