Ny soratra hebreo sy grika dia nomena antsika misy lamina napetrak’Andriamanitra. Ny Baiboly fampiasan-tsika an-davanandro dia misy ny Boky rehetra, kanefa ny laharan’ireo dia hafa, ka tsy ananantsika ny tena laharany nomen’Andriamanitra.
Misy fizarana firy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ?
Mizara 3 ny Testamenta Taloha, ary ny Testamenta Vaovao dia mizara 4. Fito izany ireo fizarana rehetra ireo – Ny isa 7 dia ampiasain’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina mba hanehoana ny fahatanterahana, ny fahafenoana.
Taloha, ny jiosy dia nanisa ho 22 ny isan’ny Bokin’ny Testamenta Taloha. Ka raha ampiana ireo boky 27 ao amin’ny Testamenta Vaovao izany, dia 49 ny isan’ny Boky ao amin’ny Baiboly, izany hoe 7 ampitomboina 7. Miharihary fa ny tànan’Andriamanitra mihitsy no nandrindra io boky tsy manan-tsahala io.
Taloha, ny jiosy dia nanisa ho 22 ny isan’ny Bokin’ny Testamenta Taloha. Ka raha ampiana ireo boky 27 ao amin’ny Testamenta Vaovao izany, dia 49 ny isan’ny Boky ao amin’ny Baiboly, izany hoe 7 ampitomboina 7. Miharihary fa ny tànan’Andriamanitra mihitsy no nandrindra io boky tsy manan-tsahala io.
Hahalalana ny zavatra hitranga amin'ny ho avy, ary Hahazoana Fiainana sy Fahendrena ny Baiboly
1- Daniela 12:9
|
« Dia
hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase
mandra-pihavin'ny andro farany. »
|
2- Daniela
12:10
|
« Maro no hodiovina sy
hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy
ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no
hahafantatra. »
|
3- Ohabolana 9:10
|
« Ny
fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny
Iray Masina no fahazavan-tsaina. »
|
4- Ohabolana 8:13
|
« Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny
fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy; Ary ny vava fandainga dia
samy halako avokoa. »
Ohabolana 15:33 « Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana
mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana. »
Ohabolana 16:6 « Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra
amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny
ratsy. »
|
5- Salamo 111:10
|
« Ny
fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no
ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.»
|
6- Matio
24:3
|
« Ary
nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny
mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay
ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. »
|
7- Isaia 46
|
Isaia 46:9
« Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no
Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka
Ahy, »
|
8- Matio 24:32
|
« Ary
mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka
mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.»
Matio
24:33 « Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra
izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.»
|
9- 1 Tesaloniana 5:1-5
|
« Fa
ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako
aminareo, satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra
amin'ny alina ny andron'ny Tompo. Raha misy olona manao hœ: Miadana sy mandry
fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny
fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy
izy. Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra
anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia
zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. »
|
10- Matio 24:36
|
« Fa ny amin'izany andro sy
ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny
Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. »
|