Tamin’ny 1960-1970, betsaka ireo toerana nipetrahan’ny Ntaolo taloha no hitan’ireo Manam-pahaizana, ka nitondra fanazavana vaovao eo amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Ny gazety-boky US News and World Report dia nilaza, tamin’ny 24 Aogositra 1981, fa ireny toerana hita ireny dia manamarina fa ny tranga ao amin’ny Baiboly dia tena marina ara-tantara, tsy araky ny filazan’ireo Manam-pahaizana.

Ankehitriny kosa nefa, Manam-pahaizana Amerikana roa, dia i Walter E. Rast sy R Thomas Schaub, no nanambara fa nahita ny tapa-porohana sisa avy tamin’ireo tanàna ireo, ary koa toerana 3 voalaza tao amin’ny Baiboly ho tanàna mifanakaiky aminy eny amin’ny tany lemaka. Ireo trano rava dia teo amin’ny toerana nolazain’ny Baiboly, tsy lavitra loatra ny Ranomasina Maty. Rehefa natao ny fandinihana, fara-fahakeliny tanàna telo tamin’ireo no toa main’ny afo, izay nolazain’ny Baiboly fa afo nilatsaka avy tany an-danitra, noho ny fahatezeran’Andriamanitra.

Ireo manam-pahaizana ara-baiboly dia tsy mihevitra an’i Abrahama toy ny endrika ara-tantara fotsiny, fa toy ny « Mpanjaka Arthur » taranak’i Sema. Araky ny fiheveran’ireo, dia ny tantaran’i Abrahama sy ireo Patriarka hafa dia tsy nosoratana raha tsy 1000 taona taorian’ny fitrangany. Ankehitriny, ao amin’ny faritany nisehoan’ny Baiboly, Ebla dia manamarina fa nisy fianarana nivelatra sy nalaza talohan’i Mosesy sy Abrahama. Taorian’i Ebla, hoy izy, dia voatery hiaiky isika fa ny Baiboly dia taratasy manan-tantara (21 septambra 1981, pejy 77).

Inona kosa ny azo lazaina amin’ireo voalazan’ny sasany fa mpanoratra maroben’ ireo boky voalaza fa Bokin’i Mosesy ? Araky ny Gazety Time, Yehuda Radday avy ao amin’ny Israel Institute of Technology ao Haïfa dia mitatitra fa ny fandinihany nandritry ny 5 taona ny Bokin’ny Genesisy tamin’ny ordinatera dia nanamarina fa mpanoratra iray ihany no nanoratra azy io. Ny Profesora Radday sy ny Mpiara-miasa aminy telo dia nandinika ny teny nampiasaina avy tamin’ny teny Hebrio, ka nandinika akaiky ny fomba fiteny 56 mahazatra fampiasa andavanandron’ilay mpanoratra. Io famakafakana io no nahatonga an-dry zareo hilaza fa olona iray ihany no nanoratra ny Genesisy, ary ny filazana fa hoe olona maro no nanoratra io boky io dia tena diso.
Afaka mbola hilaza zavatra marobe isika. Fa rehefa manazava ara-tsiansa ny Baiboly isika, dia mahita fa ireo te-hanapotika ny Baiboly no tsy mahita ho lazaina intsony, fa tsy ny Baiboly tsy akory.