Ny Testamenta Taloha dia mihoatra noho ny roa ampahatelon’ny Baiboly. Ao amin’ny lafiny inona no mahasoa antsika amin’izy io? Misy ny milaza fa amin’ny lafiny ara-tantara na amin’ny hevitra misy hafanam-po mivoaka avy ao no hany tombon-tsoa azo avy aminy. Fa ahoana no tena izy? Tokony hianarana sahala amin’ny fianarana ny Testamenta Vaovao ve ny Testamenta Taloha? Ahoana no fiaraha-miasan’ireo fizarana roan’ny Baiboly ireo – dia ny Soratra amin’ny teny Hebreo sy ny Soratra amin’ny teny grika?
Zava-dehibe ny hahafantarana ny valiny ara-Baiboly an’izany fahalalana fototra izany, alohan’ny handehanana lavidavitra kokoa amin’ny fianarana ny tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly Masina.
- Avereno vakiana 2 Timoty 3:14-17. Inona ireo Soratra Masina nisy tamin’ny fahazazan’i Timoty? Mariho fa mbola vao nosoratana ny Testamenta Vaovao tamin’ny fotoana naha-lehibe an’i Timoty.
- Nolazain’ny Apostoly Paoly ve fa ny Soratra Masina (ao amin’ny Testamenta Taloha) dia ilaina "ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ary ho fitaizana amin'ny fahamarinana" ?
- Inona no hevitry ny fahamarinana araky ny Baiboly? Salamo 119:172
- Avy taiza ny Didin’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha: Avy tamin’i Mosesy sa avy tamin’Andriamanitra? Mariho ny Eksodosy 19:7, 20:1, 24:4, 12 ; Levitikosy 26:46 ; Deotoronomia 4:5
- Ahoana ny amin’ireo ohatra notahirizana ao amin’ny Testamenta Taloha? Mbola ilaina ve ireny amin’izao fotoana izao? Ahoana hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 10:6, 11?
- Miresaka famonjena amin’ny alalan’i Kristy ve ny Testamenta Taloha? Jereo: 2 Timoty 3:15.
- Hitan’ilay tandapa Etiopiana ve ny hafatra momba ny famonjena ao amin’ny Testamenta Taloha? Jereo Asan'ny Apostoly 8:27-35.
- Afaka nahazo ny dikan’ny Testamenta Taloha ve izy raha tsy nisy ny Testamenta Vaovao, araka ny fampianarana nentin’i Filipo? Mariho tsara io zavatra madinika io ao amin’ny Asan'ny Apostoly 8:35.
- Na dia nitahiry fatratra ny fanambaran’ny Testamenta Taloha aza ny Jiosy, dia tena azony tsara ve ny zavatra nambaran’ny hafatra tao anatiny? Mariho izay hazavain’ny Apostaoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 3:14-18.
- Inona ny hataon’i Jesosy Kristy amin’ny Testamenta Taloha? Jereo Matio 5:17. Fanamarihina: Ny teny grika nadika hoe « hanatanteraka », "pleroo", dia mbola ampiasaina ihany koa ao amin’ny Matio 13:48 (feno), Lioka 2:40 (feno), Efesiana 3:19 (hamenoana), ary any amin’ny andininy hafa.