Ny dikan-tenin’ny Baiboly izay
hampiasaintsika amin’ity fianarana ity dia dikan-teny avy amin’ny teny nanoratana
ny Baiboly. Tamin’ny teny Hebreo no
nanoratana ny Testamenta Taloha, ary misy tapatapany kelikely nosoratana
tamin’ny fiteny Arameana (fiteny mitovitovy amin’ny fiteny Hebreo) amin’ireo
boky farany. Ny Testamenta Taloha kosa dia nadika avy tamin’ny teny Grika.
Ny soratry ny Testamenta Taloha dia
nankinin’Andriamanitra tamin’ny Fianakaviambe Jiosy, mba ho tahiriziny (Romana
3:1-3). Notahiriziny tamin’ny sora-tanana nataon’ireo Mpanora-dàlàna nantsoina
hoe "Masoreta" izy ireo. Ny tena teny ara-dàlàna notahirizin’ny Jiosy dia
antsoina hoe "soratra masoretika".
Ireo mpanora-dàlàna taloha ireo dia mandany
fotoana betsaka tokoa nanamarina ny teny nadika. Nisainy ny teny sy ny litera
ao aminy boky iray. Fantany, ohatra, hoe teny inona na litera inona no mipetraka
ao afovoan’io boky io. Raha mandika boky iray izy, dia ampitahainy amin’ilay
boky tena izy izany, ary manisa izy mba hitokisany fa tsy misy litera iray
mihoatra, na latsaka, ao amin’io boky io.
Miresaka ny amin’ny fahamalinan’izy
ireo mba hitahirizana ny boky i Jesosy, raha nanambara tao amin’ny Matio 5:18
Izy fa « tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na
tendron-tsoratra iray aza ». Ny tendron-tsoratra iray na yod dia soratra
farany izay kely amin’ny alfabeta Hebreo. Azo oharina amin’ny faingo mihantona
izy. Io haingon-tsoratra io dia fampihaingoan-tsoratra amin’ny taratasy sasany
natao tamin’ny alfabeta grika.
Ny Soratra Masina Hebreo nanan-danja dia notahirizina ara-panjakana tao amin’ny Fianakaviambe Jiosy ; Izany no Soratra Masoretika.Taloha izy io dia nadika teo amin’ny taratasy vita amin’ny hoditr’ondry nokarakaraina manokana ; Ireo tena Teny ireo dia nadika tanana, ary nahorona mba hitahirizana azy. Na dia maro aza ireo sekta nitahiry ny dikan-tenin’ny Soratra Masina, di ny tena mendri-pitokisana indrindra dia ny dikan-teny masoretika ara-panjakàna.
Ny Testamenta Vaovao izay eo
am-pelantanantsika dia nahazo io endriny farany io noho ny Apostoly Jaona, izay
namboatra izany alohan’ny hahafatesany, tamin’ny faramparan’ny taon-jato
voalohany. Tamin’izany i Jaona dia nonina tao Efesosy, izay tanàna miteny grika
tao amoron-dranomasina andrefan’ny Azia Minora (Torkia ankehitriny). Io tanàna
io ihany koa no nampirina ny dikan’ny soratry ny Apostoly Paoly, am-polo taona maro talohan’izany (2 Timoty 4:13, 21).
Io tanàna io no voalazan’ny Apokalypsy
2 mba ho Eglizin’Andriamanitra voalohany. Ny sora-tànana grika teraka tao Azia
Minora dia sokajian’ny Manam-pahaizana ankehitriny ho sora-tànana tena avy ao
Antiokia na byzantina. Nampiasaina tany amin’ireo tany miteny grika izany, ary
misy maha-samihafa azy amin’ireo Dika-soratra tandrefana sy avy ao Aleksandria,
izay notehirizina ao Roma sy ao Egypta.
Nisy
dika-soratra Byzantina nampidirin’ireo Manam-pahaizana nandositra ny fambaboan’ny
Tiorka tany andrefana, tamin’ny Taon-jato faha-15. Maro tamin’ireo
Manam-pahaizana grika no niantefa farany, niaraka tamin’ireo asa-sorany, tao
amin’ny Faritanin’ny Bâle ao Soisa, taorian’ny faharesen’i Konstantinopla
tamin’ny 1453.
Avy amin’ireny asa-soratra ireny no nihavian’ny dika-soratra
vita printy nataon’i Erasme (1516), sy Stephens (1520). Ny dika-soratr’i
Stephens dia fantatra amin’ny anarana hoe Textus
Receptus (Dika-soratra azo), ary izy io no Testamenta Vaovao grika izay
nampiasaina nandritry ny 300 taona.
Nony
efa nino ny Fahaizana ny Fiovàna (Théorie de l’Evolution) sy ny firehana
amin’ny fitsikerana ny vondron’ny Manam-pahaizana tamin’ny faran’ny Taonjato
faha-19, dia niova ny dikan-tenin’ny Baiboly. Nolavina ny hevitra nilaza fa
nomen’ny tsindrimandry sy notahirizin’Andriamanitra ny Baiboly. Noho
izany dia nanapa-kevitra ny Manam-pahaizana fa ny sora-tanana tranainy
indrindra –na avy taiza fihaviany na avy taiza, no tena manakaiky ny
dika-soratra voalohany, ary noho izany, dia marina kokoa.
Nanomboka natoky ireo
asa-soratra na sombin’asa soratra izay noheverina taloha fa kely lanja izy ireo.
Ny ankabeazan’ny mpandika Baiboly tamin’ny Taonjato faha-20 no niasa tamin’ny
asa-soratra efa neken’ireo mpitsikera rain-dahiny, ary nametraka ny dikan-teny
sasany ho toy ny fitarihin-tsaina eo amin’ny faritra ambany amin’ny pejy.
2
Timoty 3:14-17 «14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao
sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa
hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay
mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy
Jesosy.:16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia
mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho
fitaizana amin'ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho
vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra. »
Salamo
119:172 « Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao
rehetra. »
Eksodosy
19:7 « Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany
teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy. »
Eksodosy
20:1 « [Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny
rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe »
Eksodosy
24:4 « Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha
maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato
roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo. »
Eksodosy
24:12 « Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto
an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny
lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy. »
Levitikosy
26:46 « lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy
sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i
Mosesy. »
Deotoronomia
4:5 « Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay
nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay
efa hidiranareo holovana. »
1 Korintiana 10:6 « Ary izany zavatra
izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny
nilan'ireny. »
1 Korintiana 10:11 « Ary izany dia nanjo
azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny
faran'izao tontolo izao. »
2 Timoty 3:15 « fa hatry ny fony vao
zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho
amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. »
Asan'ny Apostoly 8:27-35 « 27 Dia nitsangana
izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy,
mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany
Jerosalema izy mba hivavaka; 28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny
kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany. 29 Dia hoy ny Fanahy tamin'i
Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. 30 Ary Filipo
nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany,
ka niteny taminy hœ: Moa fantatrao va izay vakinao? 31 « Fa hoy izy:
Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i
Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana] 32 Ary izao no
tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy
niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy; 33 Ny
fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny
niara-belona taminy *? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [*
Na: ny fianakaviany] 34 « Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hœ:
Masina ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa
olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra
Masina izany nitory an'i Jesosy taminy. »
2 Korintiana 3:14-18 « fa efa donto ny
sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana
izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany
no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany,
raha vakina ny tenin'i Mosesy. 16 Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia
hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny
Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin'ny
tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra*,
ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho
amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[*Na: Dia tahaka
ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo] »
Matio 5:17 « Aza ataonareo fa tonga Aho
handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa
hanatanteraka. »
Matio 13:48 « ary rehefa feno izany, dia
notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara
hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. »
Lioka 2:40 « Ary ny Zaza dia nitombo ka
nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao
aminy. »
Efesiana 3:19 « ary hahalala ny
fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho
amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. »
Romana 3:1-3 « Koa inona ary no tombony
ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana ? 2 Be ihany amin'ny
zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho
adidiny. 3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny
tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra? »
Matio 5:18 « Fa lazaiko aminareo marina
tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory
amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza,
mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny
Abidy Hebreo] »
2 Timoty 4:13 « Ilay kapôty navelako
tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky,
indrindra fa ireo boky hoditra. »
2 Timoty 4:21 « Mazotoa
hankaty alohan'ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia
mbamin'ny rahalahy rehetra. »