Mavesatra indrindra ny Fahotan’i Sodoma sy Gomora
Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; (Genesisy 18:20)
Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra, (Genesisy 19:24)
Sady Mijangajanga no Mandainga koa ny Mpaminanin’i Jerosalema
Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora. (Jeremia 23:14)
Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any. (Jeremia 49:18; 50:40)
Mampahatezitra an'i Jehovah Izany; Nefa Tsy Nibebaka Ny Olona
Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. (Amosa 4:11)
Maro no Lavo noho ny Areti-Mandringana tao Sidona
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy. (Ezekiela 28:22)
Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. (Ezekiela 28:23)
Natao ho Fananarana Izany Rehetra Izany
ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana (2 Petera 2:6)
« Tsarovy ny vadin'i Lota. » (Lioka 17:32)
Miaro ny Olony Jehovah
Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo. (Ezekiela 28:24)
Antsoy Jehovah Amin'ny Andro Fahoriana
Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9). (Romana 9:29)
Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. (Isaia 55:6)
Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.» (Salamo 50:15)
Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. (Jeremia 33:3)
Miverena amin'i Jehovah, Fa Izy Hamonjy Anao
Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. (Joela 2:12)
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. (Zakaria 1:3)
Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay? (Malakia 3:7)
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza. (Joela 2:13)
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. (Matio 6:33)
Miverena amin’i Jehovah Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay, amin’ny anaran’i Jesosy. Amena!