Iza moa i Ahaba mpanjaka?
I Ahaba no
mpanjaka fahafito tamin'ny Isiraely nanomboka tamin'i Jeroboama, ary izy no
nanjaka nanomboka tamin’ny taona 871 ka hatramin’ny taona 852 talohan’i Kristy.
Zanaky ny mpanjaka Omri izy ary vadin'i Jezebela avy any Sidona. Voalaza ho mpanjaka
ratsy fanahy izy noho ny fanarahany ny tenin’i Jezebela vadiny, izay mpanompo
sampy lehibe, nampamono an’i Nabota mba hangalany ny sahany ho an’ny mpanjaka.
Mpanjaka Ahaba
|
Ny mpanjaka Ahaba dia nanao izay ratsy teo imason’I Jehovah
mihoatra noho ireo mpanjaka rehetra teo alohany. Nanenjika ny mpaminany Elia
izy. Rehefa nifanandrina tamin’i Elia mpaminany izy, dia nanao sorona tao
amin'ny tendrombohitra Karmela. Nandritra izany no nanoheran'i Elia ny mpaminanin'i
Bala sy nandripahany mpaminany Bala 450 tao anatin’ny indray andro. Rehefa nitsiriritra
ny tanim-boalobok'i Nabota i Ahaba, dia nanao tetika hamonoana an’I Nabota I Jezebela
vadiny mba hahazoany mora foana ilay tany ho an’ny mpanjaka.
Nikambana tamin’i Josafata,
mpanjakan’i Joda i Ahaba, mba hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan’ny Syria, tao
Ramota-gileada. Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy
dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba. Naka hevitra tamin'ny mpaminany maro
i Ahaba mpanjaka raha tokony handeha hanafika ny Syriana na tsia. Ny mpaminany
400 nanontaniany dia samy naminany fandresena ho azy avokoa. Nefa i Josafata dia
nilaza taminy mba hanontany an’i Mikaia (zanak’i Jimla) izay mpaminanin’i Jehovah.
Naminany faharesena ho azy ilay mpaminany, nefa tsy nino ny filazany i Ahaba. Ka
nasainy nosamborina ilay mpaminany ary nataony an-trano maizina ary nasainy nofahanana
mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana, ary nandeha niady ihany ny mpanjaka. Nanao izay
tsy nahafantarana azy ny mpanjaka Ahaba nandritry ny ady, ka nanao ankanjon’olon-kafa.
Nefa ny zana-tsipika kitoatoa nalefan’ny lehilahy iray no nahavoa azy teo amin’ny
tratrany ka nahafaty azy.
Ny tantaran’i Ahaba mpanjaka dia
azonao vakiana manontolo ao amin’ny 1 Mpanjaka 16 – 22 sy ny bokin’ny Tantara.