Jesosy Kristy dia mpampiseho vaovao ngezalahy indrindra tamin’ny fotoana rehetra. Tsy nitatitra ny zava-misy ny omalin’ny niresahiny izy, toy ireo mpilaza vaovao rehetra, fa nolazainy dieny mialoha ny zavatra tsy maintsy ho avy. Noresahiny ny toetr’izao tontolo izao tamin’ny taona nialohan’ny fiverenany eto an-tany, rehefa hametraka ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany Izy.
➽ Tsy dia hoe boky mitantara ny zava-nisy sy misy laha-teny mirindra taloha ihany nefa ny Baiboly, fa boky lehibe sy velona, nosoratana ho an’izao vanim-potoana misy antsika izao koa.
➽ Tsy dia hoe boky mitantara ny zava-nisy sy misy laha-teny mirindra taloha ihany nefa ny Baiboly, fa boky lehibe sy velona, nosoratana ho an’izao vanim-potoana misy antsika izao koa.
1- Nolazaina tamin’ny mpaminany Daniela ve fa izay zavatra nosoratany dia tsy natao ho amin’ny andro iainany, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombokase mandra-pihavin'ny andro farany?
|
(Daniela 12:9)
|
2- Amin’ny andro farany, iza ireo hahafantatra izay nosoratan’i Daniela?
|
(Daniela 12:10)
|
3- Inona no nolazain’i Solomona tamintsika hoe fiandoham-pahendrena?
|
(Ohabolana 9:10)
|
4- Ampitahao Ohabolana 8:13 ;15:33 sy 16:6 mba hahazoanao ny dika ara-Baibolin’ny hoe « fahatahorana an’i Jehoval » (Amin’io, ny dikan’ny hoe fahatahorana dia midika ho fanajana fa tsy hoe horohoro).
|
Ohabolana 8:13 ;15:33 sy 16:6
|
5- Ao amin’ny Salamo111:10, nomena fanalahidy lehibe isika mba hahazoana ny tenin’Andriamanitra.Inona izany?
|
Salamo111:10
|
6- Nanontany an’i Kristy momba ny « andro farany » ve ny mpianany? Jereo Matio 24:3 (Naoty : Amin’io andininy io, ny teny grika nadika hoe « andro farany » dia hoe aeon izay midika hoe « taona » na « fotoana ». Misy teny roa koa nadika hoe « andro farany » ao amin’ny Testamenta Taloha : kosmos, hilazana ny fiaraha-monina, ary oikoumene, hilazana ny tany na ny bolan-tany
|
Matio 24:3
|
7- Mahafantatra ny ho avy ve Andriamanitra ? Ambarany amin’ny teniny ve izany?
|
Isaia 46:9-11.
|
8- Moa ve ilain’i Jesosy mba hahafantatra ny fotoana hiverenany ireo mpanara-dia Azy?
|
Matio 24:32-33
|
9- Fantatr’i Paoly ve fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy? Tsy efa manana famantarana ve izy ireo hahalalàny ny fotoana tokony hahatongavan’izany, mba tsy hanampoka azy izany?
|
Jereo tsara ny andininiy faha-4 –Jereo 1 Tesaloniana 5:1-5
|
10- Fa inona ny fotoana marina? Andriamanitra irery ve no mahafantatra izany?
|
Matio 24:36
|