Sekoly Sabata
21/12/2019
Ny Baiboly: Boky filazam-baovao
Ny 3/4 Baiboly dia faminaniana zavatra mbola ho avy avokoa. Ohatra amin'izany ny filazana ny Fanjakan' Andriamanitra, izay mbola ho avy.
Mahasamihafa ny filazam-baovao eto amin’izao tontolo izao sy ny ao amin’ny Baiboly
Ny eto amin'izao tontolo izao kosa dia zavatra efa lasa no lazainy fa ilazam-baovao. Zavatra miseho miteraka olana na fifaliana no trandrahan ary lazaina fa vaovao. Matetika ary dia mitady zavatra efa niseho sy nitranga toy izany ny mpitory Filazantsara ary izay vao lazainy fa vaovao. Noho izany, tsy mety mino izy raha ilazana zava-panahy izay voasoratra anaty Baiboly.
Baiboly: hahafantarana ny lalàn' Andriamanitra
Ny Baiboly dia fahalalana saro-bidy, manambara zavatra ho avy ary Andriamanitra no manambara azy.
Misy programa nanaovan' Andriamanitra ny olona ary nisy lalàna napetrany mialoha manambara izay zavatra mety hitranga. Misy fampitandremana ny olona raha mandà ny teniny Andriamanitra, izay famaizana ny olona no ankabeazany, fa fitahiana kosa raha mihaino sy mitandrina ireny isika.
Nahoana Jehovah no nandidy antsika hanaraka lalàna?
- Deotoronomia 6:24: Mandidy antsika Izy hanaiky ny lalàna mba hahazoantsika soa
- Deoto 5: 26, 29-30: Mba hahita soa izy sy ny taranany, mba ho velona ary ho maro andro
Adama sy Eva dia nanda na tsy nanaiky ny didin'Andriamanitra, ary izany no nahatonga ny fahafatesana hahazo ny olombelona rehetra.
Nanehoan' Andriamanitra zava-mahagaga marobe ny zanak'Israely, nefa mbola nandà ny hanaraka ny tenin' Andriamanitra ihany, satria nanadino ny soa nataon'i Jehovah taminy.
Ny fahamarinana no antoky ny fitahiana:
Ny fahamarinana dia ny mitandrina ny didy rehetra (Deot 25), ary maro no soa azo avy amin’izany:
- Ho velona
- Mahita soa
- Ho maro andro
- Hahazo tany holovana
Ny namintinan'i Jesosy ny lalàn' Andriamanitra
1) Tiava an'i Jehovah Andriamanitra amin'ny fonao, sainao, ary fanahinao rehetra. Raha tia Azy dia mianatra ny teniny ary mitandrina ny didiny rehetra.
2) Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany hoe fanaovan-tsoa amin'ny manodidina rehetra, ary koa ny fahavalo no atao hoe fitiava-namana.
Nanomana ny fanjakany holovan'ny olombelona Jehovah.
1 Jaona 4:20-21, 1 Jaona 5:3: Ahoana no hitiavan'ny olona izay tsy hitany, raha ny olona hitany aza tsy tiany.
Ahoana hoy ny Apostoly Paoly momba ny lalàna?
Roman 7:12-14: Araka ny fanahy ny lalàna. Sanatria ny hoe voaozona izay mitoetra amin'ny lalàna, hoy i Paoly.
Fampianarana Kristiana momba ny lalàna izay hamiliany ny fahamarinana momba ny fitandremana ny didin' Andriamanitra:
Tsy ambany lalàna fa ambany fahasoavana: Romana 6:14-15
Kolosiana 2:14: Ny hevitr'io dia rehefa manota ny olona, dia voasoratra any an-danitra avokoa ny helony rehetra. Nefa, rehefa mibebaka ilay olona nanota dia fafaina amin’ny ràn'ny zanak'ondry ny helony rehetra, ary tsy ho tsarovana intsony ny sora-tanan'ny didy niampangana azy.
Salamo 2:1-4: Izy mieritreritra fa mangeja azy sy mamatotra azy ny didy sy ny lalàna, dia hihomehezan' Andriamanitra izay manao izany.
Malakia 2:17: Mihevitra ny olona fa izay manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah.
Mampianatra ve ny Baiboly fa tsy maintsy zakaina ny vokatry ny fandavana lalàna?
Deot 11:26-28: Mitondra fitahiana ny lalàna raha mihaino ny didin'i Jehovah; mitondra ozona kosa raha tsy hihaino fa hivily hiala amin'ny lalany izy ireo ka hanaraka andriamanikafa izay tsy fantany.
-Fitahiana raha mitandrina ny didy
- Ozona raha manda sady tsy mihaino izany.
Nasain'i Jehovah hitandrina ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira nandritry ny herinandro ny zanak' Israely satria nitandrina ny toro-hevitra avy amin'i Jehovah. Misy fitahiana mivantana ho an'izay mitandrina ny lalana sy ny didin'i Jehovah rehetra.
Nahoana i Solomona no nanoratra ny bokin'ny Ohabolana?
Ohabolana 1:1-5:
- Hahalalana fahendrena sy fananarana
- Fahamarinana sy rariny
- Hahafantarana ny tenin'ny fahalalàna
- Fananarana mampahendry
- Fahendrena ho an'ny kely saina
- Fahalalana sy fisainana mazava
Baiboly: hahazoana toro-hevitra mahasoa
1 - Miresaka momba ny fiantraikan'ny rarin-tsaina (stress) amin'ny fahasalamana ny Baiboly.
Miteraka aretina samihafa ny rarin-tsaina hoy koa ny dokotera.
Ohabolana 17:22: Ny fo ravoravo mahasalama saina, fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana: "Le coeur joyeux fait du bien à la santé"
2 - Inona no toro-hevitra azo ampiharina ao amin'ny bokin'ny ohabolana amin'ny fifidianana namana sy mpiara-miasa?
Araka ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, dia izao no tokony hatao raha hitady namana:
Ohabolana 22:24-25
Ohab 13:20
Ohab 23:18-21, Ohabolana 6:9-11
Ohab 6:24-26
- Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra sy foizina
- Aza misakaiza amin'ny olona adala
- Aza misakaiza amin'ny mpiboboka divay sy fatra-pitia hena
- Izay tia tori-maso dia halahelo
- Hiarovana anao amin'ny vehivavy janga sy vahiny mpandrobo
3 - Inona no toro-hevitra momba ny andraikitry ny mpivady ao an-tokantrano mba ho sambatra?
1 Petera 3:1,7: Tokony hanaja ny vadiny ny vehivavy, tokony ho tia sy manaja ny vadiny ny lehilahy.
Betsaka ny hanadihady antsika momba ny finoantsika sy ny antony manosika antsika hino.
1 Petera 3:15: Aoka ho vonona mandrakariva hamaly izay manontany anareo amin'ny fanajana tanteraka raha misy izany fanadihadiana izany.
Oharin'i Paoly amin'ny inona ny fahefantsika mianatra ny Soratra Masina?
Ohariny amin'ny fandevonan-kanina izany, ka ny ronono dia natao ho an'ny zaza, fa ny ventin-kanina kosa dia natao ho an'ny lehibe.
Ahoana no hahazoantsika manatsara ny fandevonan-tsakafo ara-panahy?
Hebreo 5: 12-14: Izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny teny fahamarinana
Ho anny efa lehibe ny ventin-kanina satria izy ireny no efa mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
Mila mianatra tsara, mandinika, mandalina ny Soratra Masina isika, ary mila manova ny zavatra diso ninoana taloha koa.
Ny nitondra ny fampianarana dia ny Loholona ao amin'ny Fiangonan' Andriamanitra Miray. Ho an' Andriamanitra irery anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena
Inona ny "aloka" sy "tandindona", ary "vaingan-javatra"?
Ny Aloka dia sary tsotsotra maneho ny vaingan-javatra iray aseho. Ny aloka dia rononom-panahy satria maneho tsotsotra ny vaingan-javatra iray. Ny aloka dia sary ankapobeny ary maneho loko iray ihany fa tsy hita ny antsipirihan'Ilay zavatra. Ny vetin-kanina dia maneho ilay vaingan-javatra sy ny antsipirihan'ny endriny rehetra ary ny lokony.
Nanasohaso ny Jiosy tany Beria i Paoly satria nandray tsara ny fampianarana izy ireo. Namantatra, nikaroka, nazoto am-po, nandinika isanandro ny Soratra Masina izy ireo. Andinindininy.