Zava-dehibe ny hahafantarana ny valiny ara-Baiboly an’izany fahalalana fototra izany, alohan’ny handehanana lavidavitra kokoa amin’ny fianarana ny tenin’Andriamanitra dia ny Baiboly Masina.
1) - Avereno vakiana 2 Timoty 3:14-17. Inona ireo Soratra Masina nisy tamin’ny fahazazan’i Timoty? Mariho fa mbola vao nosoratana ny Testamenta Vaovao tamin’ny fotoana nahalehibe an’i Timoty.
2) - Nolazain’ny Apostoly Paoly ve fa ny Soratra Masina (ao amin’ny Testamenta Taloha) dia ilaina ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana?
3) - Inona no hevitry ny fahamarinana araky ny Baiboly? Salamo 119:172
4) - Avy taiza ny Didin’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha: Avy tamin’i Mosesy sa avy tamin’Andriamanitra? Mariho ny Eksodosy 19:7, 20:1, 24:4, 12 ; Levitikosy 26:46 ; Deotoronomia 4:5
5) - Ahoana ny amin’ireo ohatra notahirizana ao amin’ny Testamenta Taloha? Mbola ilaina ve ireny amin’izao fotoana izao? Ahoana hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 10:6, 11?
6) - Miresaka famonjena amin’ny alalan’i Kristy ve ny Testamenta Taloha? Jereo 2 Timoty 3:15.
7) - Hitan’ilay tandapa Etiopiana ve ny hafatra momba ny famonjena ao amin’ny Testamenta Taloha? Jereo Asan'ny Apostoly 8:27-35.
8) - Afaka nahazo ny dikan’ny Testamenta Taloha ve izy raha tsy nisy ny Testamenta Vaovao, araka ny fampianarana nentin’i Filipo? Mariho tsara io zavatra madinika io ao amin’ny Asan'ny Apostoly 8:35.
9) - Na dia nitahiry fatratra ny fanambaran’ny Testamenta Taloha aza ny Jiosy, dia tena azony tsara ve ny zavatra nambaran’ny hafatra tao anatiny? Mariho izay hazavain’ny Apostaoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 3:14-18.