1)- 2 Timoty 3:16 « Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, »
3)- Matio 4:4 « Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe, "Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" (Deo. 8. 3). »
4)- Jaona 17:17 « Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. »
5)- Salamo 119:160 « Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. »
6)- Matio 24:37-39 « Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho
tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. »
Lioka 17:26-27 « Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. »
7)- Matio 12:40 « fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany. »
Romana 5:14 « fa ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy. »
1 Korintiana 15:45 « Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona. »
1 Timoty 2:13 « Fa Adama no natao voalohany, vao Eva. »
Joda 14 « Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina »
9)- Lioka 24:44-45 « Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. »