1)- 2 Timoty 3:16 « Izay soratra rehetra
nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho
fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny
fahamarinana, »
3)- Matio 4:4 « Fa Izy kosa namaly ka
nanao hoe: Voasoratra hoe, "Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny
rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" (Deo. 8. 3). »
4)- Jaona 17:17 « Manamasina azy amin'ny
fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. »
5)- Salamo 119:160 « Fahamarinana no
tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina
rehetra. »
6)- Matio 24:37-39 « Fa tahaka ny
andron'i Noa, dia ho
tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. Fa tahaka ny
tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny
olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay
nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin'ny
Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny
fihavian'ny Zanak'olona. »
Lioka 17:26-27 « Ary tahaka ny tamin'ny
andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: nihinana
izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny
andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana
azy rehetra. »
7)- Matio 12:40 « fa tahaka ny
nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano
lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy
hateloan'alina ao anatin'ny tany. »
Romana 5:14 « fa ny fahafatesana nanjaka
hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny
nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy. »
1 Korintiana 15:45 « Ary araka izany koa
no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama
farany natao fanahy mahavelona. »
1 Timoty 2:13 « Fa Adama no natao
voalohany, vao Eva. »
Joda 14 « Ary Enoka koa, ilay fahafito
nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe:
"Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina »
9)- Lioka 24:44-45 « Dia hoy Izy taminy:
Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy
maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy
ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra
Masina. »