Pejy Mifandray

Inona no Tokony Hatao mba Ahazoana Tombontsoa amin'ity Fianarana Baiboly ity?

Teny Fampidirana
       
Ny Baiboly dia nodorana, noraràna sy tsy noraharahaina. Ny manam-pahaizana dia niezaka ny hampien-danja azy; Ny sasany aza moa dia nanambara fa soratra efa lany andro ireny ka tsy misy tanjona ilaina. Nefa kosa dia mbola mitoetra foana izay nolazainy!

Izy no boky voalohany natontan’i Gutenberg tamin’ny taona 1456, ary izy no boky tena be mpividy indrindra isan-taona. Nanamarika betsaka ny kolon-tsaina Eoropeana izy, ary voadika amin’ny fomba fiteny isan-karazany noho ny boky hafa rehetra. Nefa kosa, vitsy no tena mamaky azy, ary vitsy koa no mahazo izay tiany lazaina!

Nahoana no ilaina hianarana ny Baiboly ?

       Nahoana moa isika no tokony mbola hamaky na hianatra ny Baiboly amin’izao fotoana efa mandroso be izao? Nahoana ireo boky tonta ireo no tokony mbola hisarika ny saintsika ihany amin’izao fotoana izao? Rehefa mandroso mianatra ireto lesona manaraka ireto isika, dia ho tsapantsika fa ny Baiboly dia mbola mahafantatra bebe kokoa ny zava-misy noho ny gazety vidiantsika isan’andro.

       Nahoana no maha-liana ny Baiboly ?

Satria izy no boky nomen’ny Mpahary antsika hampianarana antsika, ary ny fampianarany dia tena mitombona. Raha namboatra izao tontolo izao Andriamanitra, dia nomeny fitsipika mba hitantanana ny voahary ny olombelona, ary koa ny fiainan’ny zanak’olombelona. Ny fitsipika sy lalàna nomeny ho enti-mitantana ny fiainan-janak’olombelona dia tena mitombona, toy ireny lalàn’ny fizika ireny!
  • Ny Baiboly dia mampiseho ny fepetra tokony hifandraisan’ny zanak’olombelona, sy ny tokony ho fitondran-tenany
  • Ny Baiboly dia mampiseho ny tanjona lehibe ho an’ny zanak’olombelona izay nokarakarain’ny Mpamorona ho azy. 
Raha mandinika ny aretina sy ny fijaliana eto an-tany ny olona dia miteny hoe: « Inona no dikan’ity fiainana ity? Inona no ao ambadik’ity fiaina-mandalo ara-nofo ity?» 

  • Ny Baiboly no hany toerana ahitana ny tanjona lehibe nataon’Andriamanitra ho antsika izay teraka ara-nofo !
  • Mamaly ny fanontaniantsika momba ny fiainana ny Baiboly
  • Manazava ny tanjona hiafaran’ny zanak’olombelona izy
  • Manoro antsika ny làlan-kizorana eto amin’izao tontolo izao.
Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manazava tanteraka izay voalazan’ireo vaovao isan-karazany ao amin’ireo gazety maro samihafa.

Tsy vitan’ny hoe misy ny fampahafantarana ny zava-misy mahakasika antsika fotsiny ny Baiboly, fa azo hamarinina ihany koa fa tenin’Andriamanitra koa izy.

Ny fahatanterahan’ny faminaniana, ny fototra iraisan’ny hafatra nomena, ary ny hevitra miafina voalaza ao dia manaporofo fa boky nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly.

Afaka hitondra anao amin'ny fiainana mandrakizay ny Baiboly
       Tsy araky ny nambaran’ny sasany, fa tena mety ho fantarina tsara izay lazain’ny Baiboly. Raha raisinao amin’ny fonao ny hafatra napetrany, ary raha ampiharinao amin’ny fiainanao, dia hampiova ny fiainanao eto an-tany, ary hitondra anao any amin’ny fiainana mandrakizay. Boky nomen’Andriamanitra ny Baiboly, ary misy ny teny mitondra any amin’ny fiainana.

Inona no tanjon'ity fampianarana ny Baiboly ity ?

       Ity fampianarana ny Baiboly ity dia natao hahazoanao mampitombo ny fahazoanao izay lazain’ny Baiboly, sy hitsapana ny fandrosoanao amin’ny fianaranao ny Baiboly. Ny lesona tsirairay dia mikasika taranja samihafa, ilaina eo amin’ny fiaianana sy eo amin’ny fahazoanao ny Baiboly, sady misy famerenan-desona, ary fitsapam-pahaizana isaky ny avy mahavita lesona efatra isika.

       Ahoana no tena mety hahazoana tombon-tsoa amin’ity fampianarana ity? Miainga amin’ny fahafantarana fa fitaovana sy mpitari-dàlana fotsiny ihany izy ity, mba hianaranao ny Bokin’Andriamanitra, dia ny Baiboly izany. 


  • Raha tena te-hahazo ny fampianaran’ny Baiboly mikasika hevi-dehibe iray ianao, dia tsy maintsy mamaky ny Soratra Masina.
  • Tena ilaina amin’izany ny MANDINIKA lalina ny andininy tsirairay voasoratra ao. Amin’izany no hahatsapanao izay tena lazain’ny Baiboly, sy hamakianao azy miaraka amin’ireo teny voasoratra rehetra manodidina azy.
  • Arakaraky ny hampiasan-tsika ny saintsika no maha-mety kokoa ny fianarantsika ny Baiboly. 
Ity fampianarana ity koa dia tsy miresaka amintsika fotsiny ihany ny Baiboly, fa mahatonga anao hanana fahazarana hitady ny valiny avy amin’ny fandinihanao irery ihany! Noho izany, dia ho zatra mandinika Baiboly izany ianao, mba hahitanao ny valin-teny tena marina amin’ireo fanontaniana apetraky ny fiainana.

Mety ho azo ve ny hevitra ambaran’ny Baiboly ? Raha toa ka ampiasainao araky ny tokony ho izy ity fampianarana ity, dia ho azonao izay lazain’ny Baiboly sy ny hafatra entiny ho antsika.

Inona àry no tokony hatao rehefa mianatra Baiboly ?

       Isika dia zava-boahary mora entin’ny fahazarana.
  • Manàna fahazarana hianatra tsy an-kijanona ny Baiboly
  • Manokàna fotoana sy toerana iray isan’andro hifantohanao amin’ny fianaranao.
  • Avy eo, dia andramo ampiana 20 na 30 minitra isan’andro, ho fampiharan-desona, mba hanaovanao fikarohana ao amin’ny Baibolinao.
  • Mandraisa taratasy hakanao naoty.
  • Manàna Baiboly, diksionera, ary boky hafa natao hianarana baiboly, mba ho vakianao.
  • Angony amin’ny toerana iray ireto lesona ireto, rehefa vita ny fianaranao azy, miaraka amin’ny hevitrao sy ny fahatsapanao azy.
       Hampidirinay tsindraindray ihany koa ny famakafakana sy famelabelarana ho an’ny foto-kevitra sasan-tsasany. Hanampy anao handalina ny hevitra tiana havoitra izany.