Pejy Mifandray

Tsy Làlana Nataon'ny Olombelona Hitadiavana an’Andriamanitra ve ny Baiboly?


Raha ny marina, inona ny Baiboly ? Tsy araky ny filazan’ireo mpitsikera; ambarany fa tsy mba tantaran’olombelona tsotra mitady an’Andriamanitra izy, fa fanambaran’Andriamanitra ny fisiany amin’ny olona ! Hevero izany ! 

Tsy mba satrinao ve ho ilay Andriamanitra tia anao no maniry ny hahafantaranao Azy ? Koa raha manomboka ny fianaranao Baiboly amin’ity lesona ity ianao, dia hojerentsika aty am-piandohana ary izay lazain’ny Baiboly momba izany.

Nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ve ny Baiboly? 
Azo inoana ara-tantara ve izay voasoratra ao?
Aoka ho azontsika izay lazain’ny Baiboly momba azy.
  • 1) - Ao amin’ny 2 Timoty 3:16, avy aiza ny fototry ny Baiboly, araky ny filazan’ny Apostoly Paoly azy?
  • 2) - Inona no dikan’ny hoe « tsindrimandrin’Andriamanitra »? Fantaro fa ny fehezanteny hoe « nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra » dia avy amin’ny teny grika hoe « theopneustos » izay midika hoe natoron’Andriamanitra na nobitsihan’Andriamanitra.
  • 3) - Raha ny voalazan’i Jesosy Kristy ao amin’ny Matio 4:4, ahoana no tokony hikatsahantsika ny tenin’Andriamanitra mba hiainantsika aminy?
  • 4) - Raha mamakafaka ny fivavahan’i Kristy ao amin’ny Jaona 17:17 isika, inona no mampiavaka, na manamasina, ny vahoakan’Andriamanitra? Aiza no ahitantsika ny fahamarinan’Andriamanitra?
  • 5) - Marina ve ny tantaran’ny famoronana voalazan’ny Genesisy? Ahoana no lazain’ny Salamo 119:160 momba ny fiantombohan’ny tenin’Andriamanitra?
  • 6) - Nohamarin’i Jesosy Kristy ve ny fahamarinana ara-tantaran’i Noa sy ny safo-drano maneran-tany izay nisy tamin’izany fotoana izany? Jereo Matio 24:37-39 sy Lioka 17:26-27.
  • 7)-Ary ny tantaran’i Jonà? Mba notenenin’i Jesosy ve ny tantaran’ny niteleman’ny hazandrano lehibe an’i Jonà, tahaka ny zava-nisy marina ara-tantara? Jereo Matio 12:40
  • 8) - Ahoana ny momba an’i Adama? Lazain’ny Testamenta Vaovao ho toy ny olona tena nisy ara-tantara ve izy? Inona ny zava-pantatra momba azy arak’ireto andininy ireto : Lioka 3:38, Romana 5:14, 1 Korintiana 15:45, 1 Timoty 2:13, Joda 14.
  • 9) - Araky ny fomban-drazany, dia natokan’ny Jiosy ho 3 tonta ny bokin’ny Testamenta Taloha: Ny lalàna, ny Mpaminany ary ny Salamo. Nankatoavin’i Kristy ve fa izany dika soratra izany no nandrafitra ny Soratra Masina nisy tamin’ny androny? Lioka 24:44-45
  • 10) - Nitahiry ny heviny fotsiny ihany ve ny mpanoratra ny Baiboly? Mariho izay nolazain’ny Apostoly Petera ao amin’ny 2 Petera 1:21.