Tamin’ny 1960-1970, betsaka ireo toerana nipetrahan’ny Ntaolo
taloha no hitan’ireo Manam-pahaizana, ka nitondra fanazavana vaovao eo
amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Ny gazety-boky US News and World Report
dia nilaza, tamin’ny 24 Aogositra 1981, fa ireny toerana hita ireny dia
manamarina fa ny tranga ao amin’ny Baiboly dia tena marina ara-tantara, tsy
araky ny filazan’ireo Manam-pahaizana.
Diso ireo Mpitsikera sy ireo Manam-pahaizana raha nanambara fa
lainga ny tantara milaza ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora. Ny fisian’ireo
toerana ireo aza taloha dia toa nampiahiahy.
Ankehitriny kosa nefa,
Manam-pahaizana Amerikana roa, dia i Walter E. Rast sy R Thomas Schaub, no
nanambara fa nahita ny tapa-porohana sisa avy tamin’ireo tanàna ireo, ary koa
toerana 3 voalaza tao amin’ny Baiboly ho tanàna mifanakaiky aminy eny amin’ny
tany lemaka. Ireo trano rava dia teo amin’ny toerana nolazain’ny Baiboly, tsy
lavitra loatra ny Ranomasina Maty. Rehefa natao ny fandinihana, fara-fahakeliny
tanàna telo tamin’ireo no toa main’ny afo, izay nolazain’ny Baiboly fa afo
nilatsaka avy tany an-danitra, noho ny fahatezeran’Andriamanitra.
Nisy zavatra hita hafa koa, tsy manamarina fotsiny ny fisian’i
Sodoma sy Gomora ho tanàna manan-tantara, fa mety hanazava ihany koa ny tantara
hafa ao amin’ny Baiboly, dia ny takelaka tanimangan’i Ebla. Ny tanàna
fahagolan’i Ebla dia naseho masoandro tao amin’ny faritra avaratr’i Syrie
ankehitriny. Nadikan’i Giovanni Pettinato, mpampianatra italiana ireo soratra
miendri-pantsika hita tao, izay nitahiry ny fifandraisana ara-barotra
nandraisan’ny tanànan’ i Sodoma sy Gomora anjara. Araky ny nambaran’ny Gazety
Time, dia mety hisy fiantraikany maro ireo zavatra hita tao Ebla.
Ireo
manam-pahaizana ara-baiboly dia tsy mihevitra an’i Abrahama toy ny endrika
ara-tantara fotsiny, fa toy ny « Mpanjaka Arthur » taranak’i Sema.
Araky ny fiheveran’ireo, dia ny tantaran’i Abrahama sy ireo Patriarka hafa dia
tsy nosoratana raha tsy 1000 taona taorian’ny fitrangany. Ankehitriny, ao
amin’ny faritany nisehoan’ny Baiboly, Ebla dia manamarina fa nisy fianarana
nivelatra sy nalaza talohan’i Mosesy sy Abrahama. Taorian’i Ebla, hoy izy, dia
voatery hiaiky isika fa ny Baiboly dia taratasy manan-tantara (21 septambra
1981, pejy 77).
Ankoatr’ireo famakafakana mikasika ireo Patriarka sy ny
tanànan’i Sodoma sy Gomora, dia ahitana soritra koa ny mikasika ny fahababoan’ny
zanak’Israely tany ivelan’i Egypta. Arak’i Hans Goedicke, manam-pahaizana momba
ny tantaran’i Egypta avy ao amin’ny Oniversite Johns Hopkins, ny takelaka
tanimanga iray hita tao Ebla dia tsy mitantara fotsiny ihany ny fahababoana
amin’ny fijery Egyptiana, fa milaza kosa fa io fahababoana io dia tamin’ny
taona 1475 Talohan’i Jesosy Kristy. Io daty io dia 200 taona teo ho eo
talohan’ny nolazain’ireo Manam-pahaizana, nefa kosa mitovy amin’izay voalazan’ny
Baiboly.
Inona kosa ny azo lazaina amin’ireo voalazan’ny sasany fa mpanoratra
maroben’ ireo boky voalaza fa Bokin’i Mosesy ? Araky ny Gazety Time,
Yehuda Radday avy ao amin’ny Israel Institute of Technology ao Haïfa dia
mitatitra fa ny fandinihany nandritry ny 5 taona ny Bokin’ny Genesisy tamin’ny
ordinatera dia nanamarina fa mpanoratra iray ihany no nanoratra azy io. Ny
Profesora Radday sy ny Mpiara-miasa aminy telo dia nandinika ny teny
nampiasaina avy tamin’ny teny Hebrio, ka nandinika akaiky ny fomba fiteny 56
mahazatra fampiasa andavanandron’ilay mpanoratra. Io famakafakana io no nahatonga an-dry zareo hilaza fa olona iray ihany no nanoratra ny Genesisy, ary ny
filazana fa hoe olona maro no nanoratra io boky io dia tena diso.
Afaka mbola hilaza zavatra marobe isika. Fa
rehefa manazava ara-tsiansa ny Baiboly isika, dia mahita fa ireo te-hanapotika
ny Baiboly no tsy mahita ho lazaina intsony, fa tsy ny Baiboly tsy akory.